TAOM-BAOVAO MALAGASY

Tantara:

Andro voalohany amin’ny volana voalohan’ny taona volana
voalohany: Alahamady
taona:2009

Heviny:

Alahamady milaza ny zoky olona amin’ny fianakaviana, ny Mpanjaka,
ny Fiandrianana, ny fanjakana, vary(fiakarany),andrsna,…

Ara-panandroana:

Ny andro hifanitsian’ny volana sy ny masoandro ao amin’ny antokon-
kitana Alahamady raha jerena avy ety an-tany (eto Madagasikara).Azo
hamarinina eny amin’ny foiben-torana mamantatra ny tontolon’ny
habakabaka izany.

FOMBA AMAM-PANAOAMIN’NY FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO

Iray volana eo ho eo mialohan’ny tsinan’ny Alahamady Taona vaovao
dia miafy tsy mihinana-kena ny vahoaka sy ny mpiondra, izany hoe
tsy mandatsaka aina araka izay azo atao, nefa raha misy ny tsy
fahatantesana izany dia afaka mihinana akoho amam-borona ka antsoina
hoe:”fo tsy aritra” izany.

1- Misafo rano:

Midio amin’ny alalan’ny rano, misafo rano,mandro, teo aloha dia
mandro ny mpanjaka endriky ny fanadiovana ny firenena iray manontolo.
Ireo rehetra ireo dia endriky ny fahdiovana na antsoina ihany koa hoe:
“alafaditra”(alàna izay rehetra mifadiditra sy mangeja ny vahoaka sy
ny firenena).

2-Mialoha:

Ny alina faran’ny taona dia mana arendrina entina manondidina ny tanàna,
rehefa izay dia tehirizina ny afo (hazavana), hafanana, ho tratry ny
andro maraina (taom-baovao).

3-Andron’ny aom-baovao:

Mifampiarahaba tratry ny taona vaovao ka ho tratrin’ny arivo taona
(hary-ivo) mitsingerina anie tsy ho dison’ny samabtra sy ny manajara.

4-Manao tatao:

Vary amin-dronono tondrahanan-tantly: raisina amin’ny sotro dia atao
n-tampon-doha ka hisambasambana:” Sambasamba Andriamanitra
Andriananahary, samy arivo ho tratrin’ny taona mitsingerina indray;
tsy hisara-mianakavy, ho ela velona, hitombo hasina, ambinim-bola sy
harena…”

5-zara Hasina:

Fifanolorana ataon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ka salohim-bary
no ataon’izany arahina firariantsoa ho mariky ny fandresena ny mosary.

6-Nofon-kena mitam-pihavanana:

Ho fanamaisana ny fihavanana,fiaraha-misakafo,korana samihafa.

Izay ny momba ny fizotry ny fankalazany taom-baovao amin’ny fomba
malagasy.Raha araka ny fanazavana sasantasany izay azo teny antoerana
moa dia ny volana oktobra no fankalazana izany ary mifanarakaraka amin’ny
fotoanan’ny ramadany izany. Ho entina azavaina misy kokoa eto ny momba
ireo rehera ireo amin’ny manaraka fa ndha aloha ho jerana hoe rohoviana
indray ny fankalazany ny taombaovao manaraka, satria raha araky ny fanazavana
dia mihovahova izany daty izany fa tsy mijanona ho andro iray.
Raha tamin’ny: 26 Marsa tamin’ny 7ora sy 7mn Hariva izy tamin’ity taona ity
dia toy izao manaraka izao ny ho amin’ny taona manaraka:

2010: 16 Marsa: 00 ora 02mn marina
2011: 03 April: 05 ora 33mn hariva
2012: 22 Marsa: 05 ora 38mn hariva
2013: 11 Marsa: 10 ora 52mn alina
2014: 30 Marsa: 09 ora 46mn alina
2015: 20 Marsa: 12 ora 37mn atoandro
2016: 07 April: 02 ora 25mn hariva
2017: 28 Marsa: 05 ora 58mn maraina
2018: 17 Marsa: 04 ora 13mn hariva

ialana tsiny ny fahatarana fa na dia izany aza mino aho fa tsy dia tena tara
be loatra. Ampananena zavatra mahafinaritra sy mahaliana be aho amn’ny manaraka
mahakasika ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy.

Araka ny taitra azo dia efa mba manomboka milamina ny ao amin’ny parc marojejy.vaovao tsara sy mahafinaritra izany satria arakin’ny resaka natao dia efa manomana ny fisokafan’ny parc ho an’ireo mpizahatany ny tomponandraikitra. RAha ny resaka nandeha tamin’ny fotoana ireny dia ny hoe nisy nangalatra daholo ny fitaovana rehetra tao amin’ity toerana ity koa dia tsy misy azo ampiasaina intsony. Omaly anefa araka ny vaovao heno dia tsy nisy very na simba izaby fa dia nampiasain’ireo olona ireo fotsiny ary mbola azo ampiasain tsara. Fa na dia nitsoka nivokan’ity ala ity anefa ireo olona ireo dia namela takaitra lehibe vokatrin’ny hazo vaventy nakididy avy eny amin’ny toerana avo eny midina makaty ambany ka nandona ireo hazo hafa taty ambany. Marihina hazo sarobidy maro no simba sy voatapaka tamin’ireny fotoana ireny.Ary betsaka ny soron’ny mpitandro filaminana fa saingy nanjavona ihany koa izany araka ny tatitra azo avy any antoerana. Betsaka tamin’ireo olona ihany koa no tratran’ny mpitadro filaminana. Teo daholo moa izany rehetra izany fa ny tsara indrindra dia manomboka miverina amin’ny laoniny ny rehetra ary efa miomana amin’ny fandraisambahiny sahady ity toerana ity, taorin’ireny toe-javatra mahatsiravina niseho ireny.
Ny hany antenain’ireo mpikarakara dia ny fiverenan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena mba ahafan’ny mpizaha tany tonga maro be hitsidika ny toerana tahaka itony.