matsaka

Toy izao rehefa matsaka amin`ireny mpompy mpamjakana ireny eto Antananarivo. Milahatra ary tena lavabe tokoa. Milay mahafoy fotoana anefa raha te-ahazo rano rehefa mody. Tsy maintsy miandry akaiky satria misy misongona . Betsaka ny mimenomeno rehefa eny ampatsakana satria lany ora, lany fotoana ary tsy misy toerana mba maloka hiandrasana fa dia eo amban`ny masoandro be migaingaina. Ny tena mampalahelo dia ny mahita ankizy sy ramatoa bevohoka na mampinona voatery miandry elabe miaraka amin`ilay zazakely vao afaka ny fahazo rano hentina hanadiovana sy hikarakarana ny ao antrano. Ho anìreo olondehibe moa dia ny resaka no entina andaniana ny andro eo ampatsakana tahaka izao hitantsika amin`izao sary hitantsika izao. Ny ankizy kosa dia ny milalao miaraka amin`ny namanany no hataony mandrapahazoa ny anjara ranony.

Ny mpitsinjara rano kosa dia tahakìzao hita amin`ny sary izao no tsy maintsy ataony, miandry ary tena maka toerana tsara mihitsay ary manaramaso sy mitsinjara ny rano ary dia mandany fotoana tahaka ny mpanjaka ihany koa. Manomboka ny maraina vao angiran-dratsy ka hatramin`ny ariva ary kely ny fotoana ialana eo fa dia tsy maintsy manao izay azo atao mba hitsinjarana izany.

Raha ny eto antananarivo dia mbola tahakìzao amin`ny sary izao fatsakana ho an`olona maro ary mbola azao laizana fa tena vitsy ny olona manana pompy any atranony. Ho amina toerana iray ohatra, midadasuka ary be olona fa dia vitsy ny isan`ny pompy ary tsy afaka ny manome fahafahampo ho an`olona ao amin`ny faritra iray izany. Tahaka ny eny soavimasoandro izao ohatra io hita amin`io sary io dia vitsy ny pompy tahaka itony afajka ny mamatsy ny mponina, sady lavitry ny trano no mbola vitsy anisa.

Vokatrìzany dia voatery ny mifoha maraina be ny mpatsak ary dia mandany ora betsaka vao mahazo izay anjara ranoniny ary dia matetika dia tsy maintsy miverim-berina matetika satria tsy mahampy ny rano tonga ao antrano. Ho an`ny mpianatra izao ohatra dia tsy amintsy izay ny mifoha maraina (amin`ny 5 ora na 4 ora mihitsy aza matsaka avy eo vao mandeha mianatra. Raha tsy izany dia ny ariva avy mianatra no manao ny anjarany. matetika aza indraindray dia aterina eny amin`ny pompy ny sio dia ny ariva no alaina mba hialana ny amin`ny filaharana be mandany andro.

ADIN’AKOHO

November 24, 2009

tapany voalohany   

Kolontsaina iray anisan'ny mampiavaka ny Malagasy ny adin'akoho.
Fialamboly iray izay mbola tsy very ary mbola manana ny ny maha
izy azy tokoa ankehitriny raha ny adin'akoho. Samy mankafy sy
manana karazana akoha mampiavaka azy avokoa ny faritra rehetra
manerana ny Madagascar. Na ny an-drenivohitra na ny any ambanivohitra
lavitra any. Na ny zazakely na ny olondehibe dia samy mankafy
fatratra ny adin'akoho avokoa ary mifanao fotoana amina toerana
iray mampiseho sy mampiady izay karazana akoho hananany. Ny akoho
fampiady dia tsy akoho fahita amin'andavanadro ireny fa karazana
akoho hafa mihitsy. Raha ny momba ny akoha mpiady dia, karazana
akoho efa nisy hatramin'izay no akoho mpiady eto Madagascar ary
hita tamin'ny vanim-potoana teo aloha toy ny tamin'ny vanim-potoana
ny fahampanjaka ny karazany. Ary hatramin'izay ka hatramin'izao dia
mbola hita amin'ny faritra maro eto Madagascar ny taranak'ireo akoho
ireo ka anisan'izany ny antsoina hoe: "kalahatintra, mandoro, malailay,
manditsoka, ny tsy laitra, ny mandrava, sns."
Araka ny tantara dia ny mpanjaka rehetra nifandimby dia anisan'ny
mpankafy sy mpiangaly fatratra izany taranja adin'akoho izany ary
anisany niompy tamin' izany karazana akoho izany. Anisan'ny fialamboly
mahafinaritra ny fampiadiana akoha tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka;
Tsy mba nisy fialamboly maro moa tamin'izany fotoana izany, ny hany
nisy dia ny : "fampiadiana angely, ny savika, ny adin'angely, sy ny
sisa." ka betsaka ny liana tamin'ny fampiadiana akoho.
Rehe tonga ny moa ny fotoana fampiadiana akoho dia samy mitondra ny
karazana akoho mampiavaka azy avokoa ny faritra rehetra ary izay mandresy
dia mahazo loka lehibe.
Samy manana ny karazan'akohony avokoa moa ny faritra isambohitra rehetra.
Raha ny faritra eto Imerina ohatra,mampiavaka ny faritra Lasora  ny
fiompiana "Bengaly",ary ny mampiavaka ny faritra Ambohijafy kosa dia ny
fiompiana kalahantitra. Ny faritra Ambohidratrimo sy ny rovan'Ambohimanga
sy ireo faritra fitsangatsanganan'ny mpanjaka dia anisan'ny nahitana ny
karazana akoho kalahantitra avokoa.
Ny akoho mpiady dia fantatra amin'ny firafitry ny  vatany, ny lohany ary
ny tongony. Ny loko dia tsy midika karaza velively fa fanavahana fotsy
izany, toy ny hoe:"tsatsaka, maintiariva, volom-bavy, masira, menakely, sns.
Ny fiompiana akoho mpiady dia anisan'ny nivoahana fomba fiteny maro ary
ohabolana ihany koa toy ny hoe:"Lamban'akoho, faty no isarahana", "Akolahy
maneno an-tsena, tsy hery tsy akory fa hanina ny tany nialana", "Akoholahy
miady am-potaka, samy miaro ny masony tsy ho ditsoka", "Akoholahy
tanatanamanga, akoholahim-bohitra", "Raha akoholahy, dia efa intelo na
inefatra tapa-pantsy","Manao fitsaingoka akolahy jamba", sns
Tantara kely,
Fahiny hono dia very ny akoho iray teny amina vohitra iray (kalahantitra
izy io). Teny amin'ny vohitra iray hafa (teny lasora) no nahitana azy
tamin'izany.[...]Tsy nety nihaiky anefa ny mpangalatra ary dia nanapa-kevitra
ny tompony fa hiandry ny fotoana hananan'ilay akoha anaka[...]Koa rehefa tonga
io fotoana io dia tonga ilay tompon'akoho very ary hita nibaribary ny marina.
Satraia ny kalahantitra manko dia tsy mba mahavanona anaka afa tsy iray
matetika, ny nitranga anefa dia atody fito no nakotrika dia iray no foy,
izany no nahafantarana ny marina ary teo no nivoaka ilay fomba fiteny
hoe:"Mpangalatra akoho i Lasora" ary ny ohabolana hoe:"Lainga marivo tototra,
ka ampangain'ny akoho tokana."

Izay no mombamomba ny tapany voalohany mahakasika ny akoho fa ho jerena