Ny vaovao avy any Sambava renivohitrin’ny faritra SAVA
February 11, 2009
Raha mbola ao anaty korona ny firenena amin’izao fotoana izao fa indrindra ny eto Antananarivo dia misedra olana hafa ihany koa ny any amin’ny faritany sy faritra sasany tahaka ny any SAVA any Sambava any.
Raha ny any Sambava manokana no resahina dia miaina ao anaty tebiaeby tanteraka ny mponina any noon y disadisam-poloitika sy ny ahiay amin’ny tsy fandriam-pahalemana eo koa ny tsaho iasankarazany. Tsy izany ihany anefa eo koa ny olana aterakin’ny tsy fisian’ny herin’aratra any antoerana ka tsy ahafahan’olona miaina tsara ampilaminana. Na mba te-hanara-baovao aza dia tsy dia tena mahazo vahina loatra saria adin’ny telo na mahery kely isan’andro no mba azon’izy ireo ampiasana ny herinarara. Vokatr’izany dia tsy ampy ny fampahalalam-baovao, miahiahy mafy amin’ny tsy fandriampahalemana, vitsy ireo toerana mampiasa ny herinaratra no miasa manao ny asany andavan’andro.
Arak’izany dia ao anaty fatiantoka tanateraka ny ao an-toerana amin’izao fotoana izao, ireo orin’asa madinika no tena misedra olana ankoatr’ireo trrano fandraisam-bahiiny sy ireo trano fisakafoanana indrindra-indrindra. Betsaka ireo trano fisakafoanana manary ny tahirin-tsakafony to ny karazan-tsakafo vita avy amin’ny ronona sy ireo hazan-dranomasina isankarazany. Tsy ireo ihany anefa no misedra izany olana izany fa eo ko ireo tranom-barotra isankarazany izany tafiditra ao anaty fantiantoka no ambola ao anaty fitaintainana ihany koa sao mbola ho tratran’ny fandrobana tahaka ny nahazo ny tranom-barotra hafa tahaka ny MAGRO, ny tranom-barotra DONIA sy ny sns maro samy afa niharan’izany.
Raha nanontaniana moa ny anton’izao tsy fisian’ny herinaratra maharitra izao dia nolazain’izy ireo fa vokatrin’ny tsy fisiana na tsy fahampiana ara-pitaovana. Izany hoe misy piece izay tokony ho vidiana na andrasana fa mbola tsy tonga izany. Raha arakin’ny nambaran’ny namana iray avy any an-toerana dia fiatovana iray efa nandrasana efa ela izy io ka mbola tsy nahitana vaha olana atreto. Efa hela rahany marimarina tokoa ny fitaovana ampiasaina any an-toeran koa dia mila fanamorana na fanavoazana tanteraka mihitsy.
Ny manak’atao moa mampiasn’ireny groupe electrogene ireny fa na dia tsy maharaka ny filan’izy ireo izny izany aza araka ny nambaran’izy ireo.
Noho izany dia manaitra ny tompon’andraikitra ny mponina any an-toerana fa indrindra ireo mpandraharaha noho izao toe-javatra izao satria efa vola amina millions maro no efa very teo amin’izy ireo ary mbola mitaintaina amin’ny reseka tsy fandriam-pahalemana no mbola tsy afaka ny hanaraka ny fizotrin’ny to-draharaham-pirenena ihany koa. Miheritreritra ny anao plaint moa izy ireo satria mikatso daholo ny asa aman-draharaha rehtra ary ao anty ny fatiantoka tanteraka ny olona, indrindra ireo olona mampiasa ny herinaratra.
Raha ny momba ny fahasimbana misy any an-toerana vokatrin’ny korotana sy ny fandrobana moa dia tsy nazahona sary noho ny fahatahoran’izy ireo satria na ny solon-tenan’ny TVM hono dia somary voatrerona ihany.
Vaovao izay nangonina avy any an-toerana
By kool



February 11, 2009 at 5:58 pm
misaotra betsaka ry koloina dia mitandremà ihany an
February 14, 2009 at 5:25 pm
[...] Koloina, who is now a part of the great translators team at GlobalVoices in Malagasy, is sharing the news from Sambava which is the capital of the Vanilla rich SAVA region. [...]
February 18, 2009 at 10:52 am
Cool peux tu ecrire dans ton site mon petit texte de commentaire, merci bien, le voici
Merci du texte consernant la SAVA, il est vrais qu’il faut qu’ont en parle. Le centre du triangle vert (vanille) de la SAVA ne peut plus supporter une telle panne, où sont les autorités pour intervenir et soutenir les responsables de la Jirama, malgré qu’ eux même ne sont pas assez clair dans leurs gestions. Les pauvres fidéles clientèles qui subissent l’augmentations, sans autant avoir d’avantage mais au contraire la qualité de services se dégrade ! les pannes s’enchaînent, super ! cela va jusqu’à ? ça continue !
Sans parler des pertes journalières de tous les opérateurs économiques de la ville. Entre 2h00mn à 3h30mn d’élèctricité par jour pendant les horaires ouvrables, le rythme du boulot est totalement déréglé, baisse de production, taux de rentabilité fortement diminuer, la sécurité fragilisé, tout cela nous mènent vers un avenir très sombre sans garantie. Le plus surprenant c’est le silence des responsables, des autorités, de la population qui en parle mais sans savoir trouver la meilleur des solutions. Parfois même inconscients de l’importance des dégâts et ses impacts vis à vis l’économie régionale.
Ecrit par GAGABE (one friend who lives in Sambava)
February 27, 2009 at 2:58 am
si tu as le temps d’écrire un article et de détailler un peu plus avec des lignes d’interviews, ce sera un plaisir de partager !
June 5, 2009 at 1:02 pm
MBA MANENTANA ANAREO IZAY TIA TANINDRAZANA ANY SAVA MBA HANONGANA HAINGANA NY HAT FITONDRANY JOLAMBOTO . FANJAKANY MBANGALATRA
June 8, 2009 at 8:33 am
Manentana ny Mpitolona ho an`ny ara-dalana, mba hanoy ny tolona hono ry zareo avy ao @ Tia Tanindrazana any sava, Mino aho ry akama fa voarain`izy ireo ny Hafatra.Fa @manaraka mba asio marika ahafantarana ilay comment azafady